- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversRN3 : Vehivavy nitondra « scooter » nofaohin’ny kamiao, maty tsy tra-drano

RN3 : Vehivavy nitondra « scooter » nofaohin’ny kamiao, maty tsy tra-drano

Vehivavy iray manodidina ny 53 taona no maty tsy tra-drano rehefa nifanena tampoka tamina fiarabe sy nodonin’ity farany ny « scooter » nentiny. Potika tanteraka ity môtô kely ity, vaky torak’izany ihany koa ny aroloha nentin’ilay ramatoa, izay nitarika dona mafy tamin’ny lohany sy ny nitarika ny fahafatesany. Ny sabotsy lasa teo no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, teo amin’ny PK 26+900, aloha ny hiditra an’i Talata Volonondry raha hianavaratra. Raha ny tatitry ny zandarimarim-pirenena tonga taty aminay, dia samy nandeha mafy avokoa na ilay kamiao marika Hyundai, na ity môtô ity. Tao anaty fiolahana no niseho ny loza. Noho izay fandehanana somary mafy izay, dia voatery nangalatra ny havanany ilay « scooter », kanjo tamin’io fotoana io no nipoitra tampoka ilay fiara. Tsy azo nihodivirana araka izany ny fifandonana, ka io niteraka famoizana ain’olona io. Efa tonga teny an-toerana moa ireo zandary miandraikitra iny faritra iny, nijery ifotony ny zava-nisy. Ary satria nisy olona namoy ny ainy, dia voatery notanana natao famotorana ilay mpamilin’ilay kamiao. Efa nomena ny fianakaviana kosa ny razana, tetsy andanin’izany. Maro dia maro tokoa ny fiolahana mety hampidi-doza amin’iny lalam-pirenena mihazo an’Anjozorobe iny, ka mila mitandrina ny mpampiasa izany. Manampy trotraka izany anefa ny fahasimban’ny lalana, izay efa tena miharatsy tokoa, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny hatreo Ankazondandy mianavaratra iny. Ambonin’izay, raha miresaka lalam-pirenana ihany, araka ny filazan’ireo efa sendra, dia manomboka misy olon-dratsy mametraka sakan-dalana amin’izany lalam-pirenena izany, indrindra fa rehefa manomboka ho maizina ny andro. Hangatahana ny fijerena manokana izay tranga izay, avy amin’ny tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici