
Voatohitohina tanteraka ny fifamoivoizzana tamin’iny lalam-pirenena faha-31 iny nanomboka ny marainan’ny alakamisy 20 novambra lasa teo. Nitranga izany noho ny fisian’ny lavaka be mikodana eo anelanelan’ny Bealalana sy Antsohihy, eo amin’ny fokontany Antanambao Ambony, kaomina ambanivohitra Antsahabe, distrika Antsohihy. Noho izany, tsy afaka mifamoivoy amin’io lalana io ireo fiara lehibe. Mitranga moa izao olana izao noho ny ataon’ireo tsy mataho-tody izay mangalatra ireo bizo ao ambanin’ny arabe. Mbola hita teo amin’ny sisin-dalana moa ny – tamin’ireo bizo ireo izay heverina fa saika mola hiverenan’ireo mpagalatra halaina. Vao nahare izany moa ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fanajairana ny Tany, ny Toeram-ponenana, sy ny Asa Vaventy ao Antsohihy dia nandray andraikitra ka niroso tamin’ny fanarenana ny simba mba hamerenena haingana ny fifamoivoizana ao anatin’ny fotoana fohy.
T.M.



