Ankoatra ny tora-bato izay mitranga indraindray sy ny fanakanan-dàlana amin’ny vatobe, izao indray koa dia barazy mihitsy no atsangan’ireo olon-dratsy eny amin’ny lalam-pirenena izay mihazo an’I Morondava. Matahotra tanteraka amin’izao fotoana izao ireo mpitatitra mpizaha tany sy ireo hafa izay manao taxi-brousse. Ireny mantsy no tena lasibatr’ireo olon-drasy. “Olona marobe efa ho telopolo no manao barazy. Ny hany hery dia ny miverina faran’izay haingana ary mampandre ny mpitandro ny filaminana. Eny an-dàlana koa dia mifanome vaovao ny mpamily ary mampitandrina avy hatrany mba hiverenan’izay tsy mahafantatra” raha araka ny fanazavan’ny mpamily iray izay isan’ny nahita maso ny zava-nisy. Miainga eo Miandrivazo dia efa mitaintaina ny mpandraharahan’ny fitaterana ary efa mifampitaona ny samy hijanona aloha raha vao mody ny masoandro. Misy ihany anefa no tsy afa-manoatra noho ny fifanarahana efa vita amin’ny olona taterina ary tsy maintsy nandroso. Ireo matetika no iharan’ny asan-jiolahy. Eo alohan’ny hidirana an’I Malaimbandy no tena matetika misy voatafika. Tamin’ity tranga notaterina ity koa dia teo no nipetraka ny barazy, tokony ho 20 kilaometatera tsy ho tonga any Malaimbandy raha ny fanazavan’ireo fiara izay nitsoaka niverina. Tonga tany Miandrivazo no nanazava ny zava-nisy tamin’ny mpitandro ny filaminana ireo olona maro nandeha fiara. Rehefa izany dia nihetsika ny zandary ary lasa namaky barazy ka nanatitra ireo fiara mandram-pivokan’ny faritra mena, tonga hatrany Maromandia raha araka ny fanazavàna hatrany. Ahiana hisy fiantraikany indray amin’ny fizahan-tany ity fisian’ny barazy izay ataon’ny olon-dratsy ity ary mila fiheverena haingana. Morondava no isan’ny toerana izay be vahiny mitsidika indrindra eto amintsika. Ho an’ireny mpizaha tany ireny dia efa misy tranokala izay ifampizaran’izy ireo vaovao maneran-tany mahakasika ny toerana notsidihina. Raha sanatria ka misy manjo azy ireo dia poa toa izay dia miparitaka ny vaovao ratsy ary vetivety koa dia hifindra toerana ireo izay mba tokony ho voasintona ho aty amintsika. Etsy andanin’izany, tokony mba hahatonga saina ihany koa ny hoe ny olon-dratsy indray no manao barazy ary tena efa mivandravandra fa tsy miafina intsony. Teo aloha mantsy vatobe no ataon’izy ireo eo amin’ny arabe ary rehefa mijanona ny fiara dia mivoaka avy any amin’ny fiafenany any izy ireo. Izao indray dia eo anoloan’ny barazy mihitsy izy ireo no miandry izay rehetra mandala eo amin’ny lalam-pirenena ary hanafika…
D.R