- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversRN34 : Taxi-brousse voatafika, teratany sinoa iray namoy ny ainy

RN34 : Taxi-brousse voatafika, teratany sinoa iray namoy ny ainy

Voatora-bato ny mpamily. Tsy voafehy intsony ilay taxi-brousse ary nivadika. Teratany vahiny iray no tafavoaka tsy nahy ilay fiara, saingy voatifitr’ireo olon-dratsy ka maty tsy tra-drano. Zava-niseho tamin’iny lalam-pirenena faha-34 iny omaly vao maraim-be.

Nisehoana fanafihana mahery vaika indray, tamin’iny làlam-pirenena faha-34 mampitohy an’Antsirabe sy Morondava iny, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Taxi-brousse iray, mampitohy ny renivohitra amin’ny faritra Menabe iny no lasibatry ny asan-jiolahy teny an-dàlana, teo anelanelan’i Miandrivazo sy Andranomainty. Araka ny fitantaran’ireo mpindrana iny làlam-pirenena iny, dia efa fiara maromaro no voatora-bato teo amin’io faritra io tamin’io alina io. Nisy sasany tamin’ireo mpandeha tao anatin’ireo fiara ireo aza no naratra, saingy mbola afaka nitsoaka sy tody soa aman-tsara tany amin’ny nalehany ireo fiara. Ity taxi-brousse iray ity no tena voa mafy. Araka ny angom-baovao azo mantsy, dia voan’ilay torabato teo amin’ny lohany ilay mpamilin’ilay fiara. Jemby tanteraka ary tsy nahatana intsony familiana arak’ izany ity farany. Nivoaka ny arabe ilay fiara. Nahazo ny ankavian-dalana ary nivadika nony avy teo. Nandritra izany fotoana izany anefa no nipitika avy ao anaty fiara ny  sinoa iray, izay isan’ireo mpandeha tao anatin’izany taxi-brousse izany. Iny izy tafavoaka iny anefa no noheverin’ireo olon-dratsy, fa hanohitra azy ireo ary avy hatrany dia norarafany tamin’ny bala. Maty tsy tra-drano ity sinoa ity tamin’io fotoana io. Marihana, fa nisy mpitandro filaminana nanaraka ihany ity fiara ity ka raha vantany vao saika hanatona ilay fiara nivadika ireo olon-dratsy no nanao tifi-danitra izy ireo. Nentin-tahotra tamin’izany ireo olon-dratsy ka vaky nitsoaka, tsy nahavita tanteraka ny asa ratsiny. Taorian’izay moa vao afaka niantso vonjy ireto olona lasibatra ireto. Nifamonjena ireo olona naratra tao anatin’ity fiara mpitatitra olona ity ary nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana tany Namahora. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ireo zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici