Ny alin’ny talata, tokony ho tamin’ny sivy ora alina no nitrangan’ny fanafihana. Avy any Morondava hiakatra any Antsirabe io fiara io ary nitondra voamaina. Olona telo no tao anatiny izay lehilahy avokoa. Teo amin’ny 10km tsy hidirana an’i Malaimbandy dia vaky kodiarana ilay kamiao. Teo am-panoloana kodiarana no nisy jiolahy enina nirongo fitaovam-piadiana avy hatrany dia nanafika. Ny vola no nangatahin’ireo voalohany dia novonoin’ireo jiolahy. Mba nahavita nanavotra aina ihany anefa rehefa tafatsoaka. fa tsy misy izany Namaly anefa izy telolahy fa tsy manam-bola. Rehefa tafiditra taona anaty fiara ny olon-dratsy dia tsy nahita afa-tsy sakaosy nisy akanjo sy lamba firakotra. Tezitra rehefa tsy nahazo na inona na inona ary notrobara’ireo lefona ny gony nisy ireo voamaina. Tonga an-tongotra tao Malaimbandy ireo telo lahy tao anaty fiara. Teo no nampandrenesana ny manam-pahefana tao an-toerana. Nandeha teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana kanefa efa tafaporitsaka ny mpanafika. Vao nisokatra izany ny lalam-pirenena dia efa nivoaka ny mpanakan-dàlana. Etsy andanin’izany, tsikaritra koa fa feno lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena ary mahakasika ny fiara fitateram-bahoaka ny ankamaroany. Tsy hoe tokony hidina indray akory fa mila mitandrina ny mpamily ary mila hamafisina ny fisian’ny barazy mba hanara-maso ny fiara sy ny jiolahy. Izany dia mba ho fitandroana ny ain’ny olona.
D.R