Mihorohoro ireo mpitatitra sy mpandeha. Kamiô maromaro nizotra tamin’iny lalam-pirenana faha-35 no lasibatry ny jiolahy nirongo basy indray, afak’omaly alina, 16 kilaometatra, avaratr’i Malaimbandy. Vola an-tapitrisany latsaka teo no lasan’izy ireo tamin’izany, niaraka tamina entana maromaro. Nirefodrefotra ny basy, saingy tsy nisy aloha ny aina nafoy na ny naratra, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Fito lahy ireo olon-dratsy, raha ny vaovao voaray, ary nitondra basim-borona telo. Nosakanan’izy ireo tamin’ny vatobe ny lalana, hany ka tsy afa-nandroso intsony ny fiarabe. Kamiô telo no lasibatra tamin’izany, ka ny anisan’izany ny kamiô nitondra ireny ranom-boankazo ireny, izay nahazoan’izy ireo “pack” 10, vola teo amin’ny roa hetsy teo ho eo, niaraka tamin’ny findain’ireo olona tao anatiny. Raha ny fitantaran’ireo niharam-boina, dia tsy nisy resaka fa avy hatrany dia nitifitra ireto malaso ireto, raha vao tafajanona ireo fiara. Gorobaky ny bala mihitsy aza tamin’izany ny varavaran’ny iray tamin’ireo fiarabe ireo. Soa ihany anefa fa voasakan’ny takela-by tao anatiny ny bala ka tsy nahazo ireo mpandeha. Tsy nisy azon’izy ireo natao fa dia nanaiky izay notenenin’ireo olon-dratsy fotsiny sisa. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo zandary avy ao Malaimbandy sy ny avy eny Ambatolahy, raha ny vao nahare fotsiny ity fanafihana ity, ary nanao sahavahao ny manodidina. Mbola tsy nisy tratra anefa aloha ireto mpanafika ireto. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana.
m.L