- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRn4 – Ambondromamy : Fiara nidofotra tamin’ny tranon’olona, mpandeha telo no maty

Rn4 – Ambondromamy : Fiara nidofotra tamin’ny tranon’olona, mpandeha telo no maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray tamin’ny lalam-pirenena faha-4 iny, ny alahady tolakandro teo. Fiara taksiborosy iray avy aty an-drenivohitra hihazo an’ny Mahajanga no nidofotra tamin’ny tranon’olona tao Ambondromamy. Olona iray no namoy ny ainy teo no ho eo, roa hafa maty teny an-dalana raha nentina namonjy tobim-pitsaboana. Amin’izao fotoam-pahavaratra izao dia mitandrina ny rehetra, fa maro ny lalana mihotsaka matetika mahatonga ny loza. Eo ihany koa ny mpamily sasany mandray zava-pisotro misy alikaola ka minia mandeha mafy, ny lalana ratsy sy malama ka mitranga tampoka ny patsa iray tsy omby vava, ka dia ny olona na ny mpandeha tsy manan-tsiny hatrany no mibaby ny loza, matimaty fahatany. Tsy ferena koa ireo saofera ny tratry ny torimaso fotsy, ny mitondra fiara tsy manana “permis” ka matetika dia mivarina an-kady ny fiara entiny, sns. Tato anatin’ny herinandro raha ny vaovao voaangona tamin’ny faritra maro samihafa dia nitombo isa ny lozam-pifamoivoizana nahafaty sy nandratrana olona, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici