- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : « Camion » nivadika, olona dimy maty

RN4 : « Camion » nivadika, olona dimy maty

Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena faha-4 tamin’ny alahady teo tsy lavitra ny tetezan’i Betsiboaka. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa olona dimy no indray namoy ny ainy tamin’izany. Avy naka vary tany ambanivohitra antsoina hoe Berivotra ity “camion” ity ho any Maevatanana, izao niharan-doza izao. Voalaza fa nihoatra ny fetra tokony hoentiny ny entana tao anatiny, satria nahatratra hatrany amin’ny 8 taonina. Rehefa ho avy anefa ny loza tsy azo ihodivirana. Nizotra tsara ara-dàlana ny lalana ary etsy an-daniny, efa asa fanaon’ity fiara ity ny maka vary any ambanivolo rehetra any. Tamin’ity indray mandeha ity anefa, tsy namaly intsony ny “frein” ary tsy nisy azon’ny mpamily natao intsony. Tsy tafajanona ny fiara be ary latsaka tany anaty hady eo amin’ny 10 metatra eo. Ireo olona rehetra tao anatiny tsy nisy afaka fa voatsindrin’ny vary tao ary maty avokoa, hoy ny voavao voaray. Tsy ela moa dia naharay ny vaovao ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser