Raim-pianakavina iray no lasibatra, raha handeha hody hihazo an’i Mahajanga, ny Alarobia teo, rehefa avy naka ny zanany vao tonga avy any Chine. Telo mianaka izy no nandeha tao anatin’ilay fiara niaraka tamin’ireo mpandeha rehetra. Tao Ambodivona izy no efa nisy nampitandrina fa tokony ho mailo amin’ireo mpanendaka, kay tratran’ny tsy nampoizina, fa efa tafiditra tany anaty fiara mihitsy ilay mpanao ratsy. Nanao famandrihan-toerana manokana tany amin’ny seza arina rehetra izy telo mianaka dia ilay raim-pianakavina niaraka tamin’ny zanany vavy sy ny vinantolahiny. Noho ity farany izay teratany amerikana lehibe sady ngeza anefa dia voatery nafindra tany aloha izy mivady ka ilay raim-pianakavina sy mpandeha hafa no nipetraka tany amin’ny farany arina ny fiara. Araka ny fitantarany, dia minitra vitsy monja no nanatanterahan’ilay olon-dratsy io asa fanendahana io. Finday avolenta izay efa tao anaty paosy palitao anatiny fa mbola voasokitrany soamantsara. 10 minitra mialoha ny nahavery azy hoy hatrany izy, dia mbola nampiasaiko io finday io ary mbola tao anaty fiara avokoa ny olon-drehetra. Fotoana vitsy monja no nijanona teo Ankazobe raha toa ka sendra ny fiara iray nanao lozam-pifamoivoizana. Tsitapitapitra teo, dia nanjavona ary efa maty avy hatrany tsy azo antso intsony. Ankotr’io, sakaosy iray ihany koa no mbola napetraka tao ambanin’ny seza. Tao avokoa no nasiana ny vola rehetra, variana tamin’ny fahaverezan’ilay finday izy telo mianaka, tonga taty Mahajanga vao nahatsikaritra, fa lasa tao ihany koa kay ny vola 3 tapitrisa ariary. Rehefa tsy hita intsony moa izay natao, dia nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ireto fianakavina ary efa mandeha ny fikarohana.
Tantely Vandriam