- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Fatin-dehilahy mihosin-drà, nitsirara teo am-povoan’arabe

RN4 : Fatin-dehilahy mihosin-drà, nitsirara teo am-povoan’arabe

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona teo ho eo no hita faty, nihosin-drà teo am-povoan’arabe, omaly maraina, tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Teo amin’ny tanàna antsoina hoe Manakambahiny, Anosiala Ambohidratrimo, no nisehoan’ity tranga ity. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny zandary rehefa nantsoin’ny fokonolona. Taorian’ny fizahana ny razana no nahafantarana fa avy voadon’ny fiara ity lehilahy, ny alin’ny nahitana ny vatana mangatsiakany. Raha ny fijery ny fahavoazana dia mafy dia mafy ny dona nahazo azy. Araka ny vaovao avy amin’ireo mpitandro filaminana mantsy dia vaky ny lohany ary nipotsaka ny atidohany, antony nitarika ny fahatesany. Tsy nisy nahita ny nisehoan’ny loza, nitsoaka ihany koa ilay fiara nandona. Etsy andanin’izay, tsy misy mahafantatra eny an-toerana ny lehilahy, tsy nahitana taratasy momba azy ihany koa teny aminy. Tena lozam-pifamoivoizana tsotra sa vono olona, natao miendrika lozam-pifamoivoizana ? Misokatra amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ireo zandary eny an-toerana. Nentina any amin’ny tranom-paty kosa ny vatana  mangatsikan’ity lehilahy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici