Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny Rn4, miala mianatsimo ny tanànan’Antananarivokely, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny Alatsinainy hifoha talata teo no nisehoan’izany. Fiara tsy mataho-dalana na fiara 4×4 iray miloko mainty no nandeha naka razana tany amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, any amin’ny tanànan’Anjiajia, rehefa naheno ny fahafatesan’ilay lehilahy antsoina hoe: Rakontondranaivo Fidèle, tokony eo amin’ny 30 taona eo ny fianakaviany no tonga tany amin’ny tanàna voalaza etsy aloha izy ireo. Ny Alatsinainy maraina fah 17 Jona 2024 teo no nigadona tany amin’ilay toerana voatondro niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dalana ireo olona efatra mianaka, fa hitondra ny razana hody any Sahinivotry, any Antsirabe faharoa. Raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ilay maty, dia somary nanahirana ihany ny fikarakarana taratasy makasika ny razana hoentin’izy ireo, nohon’ny tsy maintsy mandalo biraon’ny disitrikan’Ambatoboeny ny an-tota-taratasy rehetra, vao afaka miala ny razana. Tamin’izay indrindra no maizina ny andro, Sady hariva raha teo vao vita sy tonga ny taratasy nikarakarain’ny Zandary. Voatery tsy maintsy niala hariva tany an-toerana ny fiara nitondra razana, ary efa misasak’alina ihany koa vao nigadona teto Maevatanàna an-tampon-tanàna, sady nanaraotra natory ny mpamily sy ny olona tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana iray. Ny talata faha 18 Jona tamin’ny 3 ora maraina no niainga tao Maevatanàna. Iny efa niala ny tanànan’Antananarivokely iny ny fiara no nilaza nahita zavatra hafahafa nikopaka lambahoany ny mpamily, ka teo no namantana tany anaty lavaka 300 metatra miala ny arabe ny fiara 4×4. Tsy nivadika ny fiara, fa ny lohany ihany no nitrotrongy tany anaty lavaka, ny razana noentina tsy nihetsika niala tamin’ilay fiara. Marihina fa tsy nisy namoy ny ainy tamin’izy efatra mianaka fa naratra avokoa ka notsaboana ao amin’ny hopitalibe Morafenokely-Maevatanàna.
Ratantely