- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Fiara nentina zandary am-perinasa, notafihan’ny andian-jiolahy 

RN4 : Fiara nentina zandary am-perinasa, notafihan’ny andian-jiolahy 

Sakaosy nisy entana, vola manodidina ny roa hetsy ariary ary finday telo no lasan’ireo jiolahy. Naratra teo amin’ny tarehiny kosa ilay mpamily. Ireo no vokatry ny fanakanan-dalana nihatra tamin’ny fiarabe iray, hihazo an’Antananarivo, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, tsy lavitry ny tetezan’i Maevarano, alohan’ny hiditra ny tanànan’Antanambao, kaominina Tsaramandroso, distrikan’Ambatoboeny. Olona iray, izay ahiana fatratra ho tompon’antoka tamin’izany no voasambotra. Tokony ho tamin’ny iray ora latsaka fahefany maraina tany ho any no nitranga ny fanafihana, raha ny fampitam-baovao azo. Nanodidina ny tamin’ny roa ora teo kosa nahazo antso ny zandary ary nanao izay nahatongavana faran’izay haingana teny amin’io toerana. Ny mpamily naratra, ny entana very ary ny fiara potika moa no hitan’ireto farany, raha tafatsoaka kosa ireo olon-dratsy. Raha ny loharanom-baovao azo dia fiara avy any Ambatoboeny, hihazo ny renivohitra ity niharan’ny fanafihana ity, ary zandary mbola am-perinasa ilay mpamily. Tamin’io fotoana io dia andian’olon-dratsy manodidina ny fitolahy teo ho eo tsy nisy namantarana azy ary nitondra basy poleta anankiroa sy zava-maranitra no nanakana ny lalany. Ankevitry ny somary namaly ihany angamba ity mpitandro filaminana ity, saingy sendra ny be noho ny vitsy ka izao niharan’ny vono izao. Tamin’ny fahatongavan’ireo zandary namany moa dia nentina avy hatrany nihazo toeram-pitsaboana izy. Nanomboka tamin’io fotoana io ihany dia efa natomboka ny fikarohana ireto mpanakan-dalana ireto. Natao sahavao avokoa ireo tanana rehetra manodidina sy ny lalana mety nitsoahan’ireto farany. Tonga nanampy isa ireo zandary tao amin’ny zana-tobim-paritra Tsaramandroso moa ny zandary avy ao tobim-paritra Ambondromamy. Nanome tanana ihany koa ny avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambatoboeny, tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy. Taorian’ireo angom-baovao isan-karazany nataon’ireto mpitandro filaminana ireto dia fantatra fa nisy olona iray voarohirohy sy ahiana fatratra ho isan’ireo tompon’antoka tamin’ity fanafihana fiara nentina zandary am-perinasa ity no nosamborina tao amin’io tanana voalaza io hatrany. Hatreto, raha ny loharanom-baovao azo dia mbola mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana mahakasika ity fanafihana fiara ity teny amin’ny RN4 ity. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici