Omaly tamin’ny 8 ora sy sasany maraina, tany amin’iny lalana RN4 iny, teo anelanelan’ny PK46 sy PK47 , fiara Peugeot iray no may kila firehitra. Tsy fantatra mazava tsara ny antony nahatonga an’ilay afo. Araka ireo nanatri-maso, dia nojerena fotsiny ilay voina noho ny filelalelan’ny afo; izay tena nahery laotra, tsy nisy na inona na inona azon’izy ireo natao. May tanteraka ilay fiara araka izany.
Antsa (Stagiaire)