Miverina indray ny fanafihana fiara eny amin’ny lalam-pirenena. Omaly alina, tany amin’ny lalam-pirenena faefatra, alohan’ny hidirana an’Ankazobe, fiara roa no notafihan’ny jiolahy. Araka ny fitantarana vaoray tamin’ny mpandeha, nametraka sakana ireo olon-dratsy ary vao tsy nijanona ny fiara dia nirarakopana ny tora-bato. Nisy naheno poa-basy ihany koa ny olona. Tsy nijanona ireo fiara roa fa vao maika nirifatra ka tafatsoaka soa aman-tsara. Nisy ny fahasimbana toy ny fitaratry ny fiara, tsy nisy kosa ny naratra fa efa tao anatin’ny tahotra sy tebiteby ny olona. Nisehoana fanafihana fiara toy izany koa tany amin’ny Rn34 tany Antokofona Soavina. Voalaza tamin’izany fa fiara telo no notifirin’ny jiolahy. Manomboka mitaintaina ny mpitatitra sy ny mpampiasa lalam-pirenena. Manararaotra ny olon-dratsy amin’ny hamaroan’ny olona mifamezivezy makany amin’ny faritra amin’izao ankatoky ny fety izao. Nangina tanteraka ny fanafihana tamin’ny lalam-pirenena nandritra ny fihibohona ireny. Fotoana ijeren’ny mpitandro filaminana faran’izay haingana izany tsy fandriampahalemana izany izao, satria mba ao anatin’ny fifaliana anatin’ny fety ny rehetra. Na eto an-drenivohitra na ambanivohitra, na amin’ny lalam-pirenena ilaina ny fidinana avy hatrany ataon’ny mpitandro filaminana. Raha izoa no mitohy mety iafara amin’ny fahavoazana mafimafy na sanatria hisy faty olona vao hanao hetsika indray ry zareo mpitandro filaminana.
Yv Sam