Mbola mitohy hatrany ny fanakanan-dàlana amin’ny lalam-pirenenana fahefatra amin’izao. Fiara sprinter iray avy any Antanànarivo no lasibatry ny jiolahy ny talata 01 may lasa teo tokony ho tamin’ny misasakalina. Araka ny fanazavana voaray tamin’Atoa Zanelisy Armand, lehiben’ny vondron-tombim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka dia, nosakanan’ny jiolahy tamin’ny vatobe ny làlana nizoran’ity fiara ity toe amin’ny toerana antsoina hoe Antetezankazo, Kaominina Andriba, disitrikan’i Maevatanàna. Tsy tazana’ny mpamily mihitsy izany raha tsy efa akaiky ka voatery tsy maintsy nijanona izy. Teo no nanararaotan’ireo jiolahy azy ireo, ka norarafan’ireo tamin’ny torabato ny fiara. Vokany, olona iray tao anatin’ilay fiara no naratra voatoraka teo amin’ny tanany, ary vaky roa ihany koa ny fitaratra amin’ny sisin’ny fiara. Tsy vitan’izany fa noroban’ireo jiolahy avy hatrany ny olona tao anatin’ilay fiara, ka lasa avokoa ny zavatra sarobidy toy ny solosaina entina an-tanana roa, finday avo lenta maromaro, firavaka volamena, vola. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia mbola tsy fantatra mazava ny teti-bidin’ny zavatra lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Tsy naharitra ela ireo malaso, fa rehefa vita izay nataony dia lasa nandositra izy ireo. Ny mpamily sy ny olona kosa niezaka nanala ny sakana tamin’ny làlana, dia nanohy ny dia sady nampandre ny Zandary tao Andriba. Tonga teny an-toerana ny Zandary, saingy efa tsy nisy tratra intsony ireo jiolahy. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Zandary eto Betsiboka taminay hatrany dia nanao ny fikarohana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, ary nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny Zandary, ka olona dimy no voasambotra izay anisan’ny nandray anjara tamin’ity fanafihana fiara ity, ka mbola atao famotorana ao amin’ny biraon’ny Zandary ao Andriba izy ireo,ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Mbola mitohy hatrany kosa ny fikarohana ny naman’izy ireo.
Ratantely