Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, teo amin’ny PK 232+100 any amin’ny fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny alatsinainy faha-28 -aprily taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny 04 ora mahery 20 minitra tany ho any. Raha ny vaovao marim-pototra voaray hatrany dia fiara taksiborosy nasionaly iray avy any Mahajanga no nifaoka tampoka avy aoriana ny fiara taksiborosy nasionaly iray hafa, avy any Antsiranana, izay samy hihazo an’Antananarivo. Noho ny olana resaka hisatra no voalaza fa nahatonga ny loza. Vokany: mpandeha iray tao anatin’ny fiara no naratra, saingy efa nahazo fitsaboana sahaza teny amin’ny tombim-pahasalamana. Taorian’izay dia nidina ifotony nijery ny zava-nitranga ny zandary misahana ny fifamoivoizana eto Maevatanàna, ary hita tokoa ny fahasimbana teo amin’ireo fiara taksiborosy roa ireo. Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny zandary BPR Maevatanàna hatreto.
Ratantely