- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Fiara taksiborosy nivadika, olona iray maty tsy tra-drano, fito naratra

RN4 : Fiara taksiborosy nivadika, olona iray maty tsy tra-drano, fito naratra

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK 338+700, akaikin’ny Kats-em Auberge, any amin’ny fokontan’Ambodimanga/Betsiboka, kaominina Maevatanàna faharoa ny marainan’ny Alakamisy faha 18 Septambra taona 2025 teo, tokony tamin’ny valo ora mahery dimapolo minitra tany ho any. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa fiara taksiborosy nasionaly iray avy any Antsiranana hihazo an’Antananarivo ity tra-doza tany amin’ny toerana voalaza etsy aloha ity, vokatry ny fandehanan’ny mpamily mafy sy fivakisana kodiarana iray aoriana, tao anatin’ny fiolanana no nahatonga ny fionganana teto. Vokany: Olona iray no maty tsy tra-drano, ary niisa fito ireo naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana niseho no efa nahazo fitsaboana sahaza eny amin’ny  » CHRR Maevatanàna hatrany,  » ireto farany. Tonga nijery zava-nitranga teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza nalaky ny Zandary no niara-nisalaha tamin’ny fifanampiana hoan’ireo olona tra-doza, sady nanamafy ny fiambenana amin’ny mety hisian’olona mananaraotra mangalatra ny entan’ireo mpandeha fiara taksiborosy. Efa notanana natao famotorana ihany koa ny mpamily, raha nampidirina ambalam-pamonjana kosa ny fiara taksiborosy. Ny Zandary misahana ny fifamoivoizana, ao amin’ny BPR Maevatanàna no mandray an-tanàna ny raharaha hatreto, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici