- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Hanamafy fiambenana ny zandary

RN4 : Hanamafy fiambenana ny zandary

Tsy miandry efa maheno fanafihana na voina mahazo ny vahoaka na ihany koa ny mpandeha taksiborosy sy ny mpamily, vao hetsika ny mpitandro ny filaminana, fa misoroka mialoha ireo mety ho tranga tsy fandriampahalemana misy etsy sy eroa, indrindra ny eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, mialoha ny fety hoavy izao sy hatrany amin’ny 15 janoary. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia tsy tambo isana ny Zandary haparitaka eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, ka anisan’izany ireo faritra mafana mety hisitrihan’ireo olon-dratsy mialoha ny hanafihany. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa hametrahana fandriam-pahalemana maharitra no tena tanjona amin’izao hetsika izao, sady mba hafan’olona tsirairay avy migoka am-pilaminana amin’ny fiainan’ny an-davan’andro. Voafaritra ao anatin’ny fanaraha-maso ny: Pk 201+250 ao amin’ny fokontany Manjakavaradrano, kaominina ambanivohitra Mahatsinjo hoan’ny farany atsimo sy ny ao amin’ny toerana antsoina hoe:  » Pont Mainty, » Pk 386-388 ao amin’ny fokontany Maromalandy, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalajankomby, hoan’ny farany avaratra. Ankoatran’izay dia mbola misy Zandary ihany koa ny eo anelanelan’ireo lalam-pirenena fahefatra voalaza etsy aloha ireo.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici