- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Jiolahy diso lasibatra, miaramila 11 isa no notafihana

RN4 : Jiolahy diso lasibatra, miaramila 11 isa no notafihana

Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra. Diso lasibatra tanteraka ireo mpanakan-dàlana. Miaramilan’ny Régiment militaire numéro 4 na RM4 no nifandona tamin’ireo jiolahy. Mpitandro ny filaminana izay handeha hamita iraka ary mirongo basy sy vonona ny hiady no tratran’io fanakanan-dàlana io ny fiara nitondra azy ireo. Avy dia azo sary an-tsaina avy hatrany angamba ny tohin’ny tantara teo amin’ny tanàna iray izay tsy mifanalavitra an’i Maevatanana. Nifampitifitra ny roa tonta ary tao anatin’izany no voasambotra ny roa raha nisy kosa ny tafaporitsaka. Koa satria ny zandary no manana ny fahefana manatontosa ny fanadihadiana dia naterina teo anivon’izy ireo ny jiolahy. Efa ela no nampitaraina ny mpampiasa ny lalam-pirenena ny fanakanan-dàlana sy ny fanafihana isan-karazany eny amin’ny RN4. Sarotra anefa ny fihazàna ireo olon-dratsy satria midadasika loatra ny manodidina ary tena lava iny làlam-pirenena iny. Afaka miovaova toerana araka izany ny mpanakan-dàlana

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici