Aina roa indray no nafoy, teny amin’iny lalam-pirenana fahefatra iny, teo amin’ny PK 135+800, ny faran’ny herinandro teo, vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary tokoa mantsy, dia « semi-remorque » iray no nivadika teo amin’ny toerana antsoina hoe Andranofeno, fokontany Kiva, distrika Ankazobe, vokatry ny olana teknika niseho teo amin’ny fiara. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no niseho ny loza, raha handeha hitodi-doha ho aty an-dRenivohitra ilay fiarabe avy any an-drenivohitr’i Boina . Inoana marimarina tamin’io fotoana io, fa somary nandeha mafy ihany ity kamiao ity. Raha nindrana io ampahan-dalana io mantsy izy, araka ny fanazavana azo hatrany, dia tsy namaly intsony hisatra, kanefa midina ny làlana. Voatery araka izany ny mpamily nanao izay azo natao, nampijanona ity fiarabe an-taoniny maro. Niezaka naka ny sisin-dàlana araka izany izy, mba hampitohana ireo kodiarana, kanefa teo no izay no vao mainka nitera-doza. Nahazo lakan-drano ny kodiarana. Nihilana ilay fiara nentin’ny havesany ary nivadika. Mafy dia mafy ny dona teo ary potika tanteraka mihitsy ity kamiao ity. Olona telo no tao anatin’ilay fiara ary samy naratra avokoa. Ny roa tamin’izy ireo no tena voa mafy ka voatery nentina novonjena taty amin’ny hôpitaly taty an-dRenivohitra. Teny an-dàlana anefa no namoy ny ainy izy ireo, araka ny vaovao azo hatrany. Tonga avy hatrany teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza moa ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’Ankazobe nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity loza nahafatesana olona ity.
m.L