- Publicité SW45 -
jeudi, mars 20, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Lehilahy iray maty nodonin’ny “taxi-brousse”

RN4 : Lehilahy iray maty nodonin’ny “taxi-brousse”

Làlana fandehanan’ny fiara mafy ny RN4.(Sary tahiry)
Làlana fandehanan’ny fiara mafy ny RN4.(Sary tahiry)

Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny alatsinainy lasa teo tamin’ny lalam-pirenena faha-4 teo amin’ny toerana antsoina hoe Tsiatokana kaominina Mahatsinjo any Maevatanana. Vokany lehilahy iray tokony ho 37 taona eo no namoy ny ainy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nisongona fiara hafa ilay “taxi-brousse”. Tsy hitany anefa fa nisy lehilahy niampita takona. Voadona mafy tokoa ilay olona. Ity farany koa moa tsy nanampo na inona na inona. Torana tsy nahatsiaro tena izy. Niezaka ireo nanatrika ny loza nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Noho ny ratra nahazo azy anefa, tsy tana ihany ny ainy. Làlana anisan’ny be mpampiasa iny RN 4 iny. Ny mpandeha matetika dia milaza fa mirimorimo tsy misy ohatran’izany ireo fiara mpitatitra mampitohy ny renivohitra amin’ireo tanàna maro handalovana raha hoany Mahajanga. Tsy vao izao no nandrenesana loza nahafaty olona fa tamin’ity taona ity dia voalazan’ny antotanisa fa efa maherin’ny folo. Ny fiara mivadika moa tsy lazaina intsony. Voalaza anefa fa efa misy ihany ny fepetra raisin’ny mpitandro filaminana ny amin’ny hafainganam-pandeha tokony ho an’ireo fiara mpitatitra. Misy hatrany anefa ireo mihoa-pefy.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser