- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Manao sesilany ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona

RN4 : Manao sesilany ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona

Tsy hay resahina intsony ny fahitana ny haratsian’ny lalana eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra an-kehitriny, any ka lasa miteraka loza mitatao, ho an’ny fiara mampiasa azy, na amin’ny lozam-pifamoivoizana na ihany koa mety misy fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy amin’ny fanafihana taksiborosy. Hita sy voamarina tokoa ny amin’izao fotoana fialan-tsasatra lehibe hoan’ny mpianatra izao ny hamaron’ireo olona mivezivezy eny amin’ny  » RN4,  » izay mihazakazaka manao fialan-tsasatra any Mahajanga. Voakatry ny haratsian’ny lalana dia manao sesilany ny lozam-pifamoivoizana, eny amin’ity lalam-pirenena fahefatra ity. Tsy sanatria man’isa faty sy ny loza mitrangana etsy sy eroa ny tian’ny mpanoratra hasongadina, fa mitantara ny zava-misy eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Vao tsy ela akory izay no nahitana lozam-pifamoivoizana telo namoizana ain’olona roa sy naharatrana olona tamin’iny herinandro lasa teo iny. Raha hojerena sy hotantarana ny zava-niseho, dia tahak’izao: ny Zoma faha 02 Aogositra taona 2024 teo, fitopolo kilaometatra tsy hidirana mianatsimon’i Maevatanàna, teo amin’ny Pk 241 tao amin’ny fokontan’Ampisavankaratra, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra no nahitana fiara 4×4 marika FORD sy fiara 4×4 marika Toyota Land cruiser nifandona tao anaty fiolanana . Vokany: vehivavy iray tao anatin’ilay fiara FORD no maty, raha olona dimy kosa naratra. Potika tsy nisy noraisina ny fiara roa, saingy ny mpamily roalahy ihany tsy nisy naninona tamin’izy ireo. Tany ampitondran’azy any Antananarivo no namoy ainy, ilay vehivavy voalaza ho Rasazy. Raha ny lozam-pifamoivoizana faharoa, dia nahitana lehilahy iray mpitondra môtô ihany koa volazala, fa maty tsy tra-drano nifandona tamin’ny fiara  » Starex, » tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, Pk 553+850, sampanan-dalana Boanamary, Amparemahitsy, kaominina ambanivohitra Bolobaka, disitrikan’i Mahajanga faharoa. Mbola nahitana kamiao iray nilavo tao anatin’ny fiolanana ihany koa ny tany Mahatsinjo ambony, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny herinandro lasa teo iny, saingy tsy nisy ny olona naratra sy namoy ny ainy, tao anatin’ilay fiara vaventy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici