- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Mpandeha môtô iray namoy ny ainy

RN4 : Mpandeha môtô iray namoy ny ainy

Namoy ny ainy ny tovolahy iray. Naratra ihany koa ny namany izay tovolahy 28 taona eo. Nandeha môtô « Crosse » iray izy roa lahy ireto no tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ilay toerana antsoina hoe « Pont Mainty, » ny marainan’ny alakamisy lasa teo. Nifandona tamin’ny taksiborosy iray manao zotra reginaly Ambondromamy sy Maevatanàna, ny kodiaran-droa mitondra azy ireo nony nandalo teo amin’ny fiolahana. Ilay nitondra ny môtô ity namoy ny ainy ity. Mbola tsaboina eny amin’ny hopitalibe Morafenokely Maevatanàna kosa ny namany. Potika tanteraka ny kodiaran-droa. Efa natao andrimaso, eny anivon’ny mpitandro ny filaminana kosa ny mpamily nitondra takisiborosy avy any Ambondromamy hatao famotorana. Ny marainan’ny zoma lasa teo ihany koa no nisiana tranga iray teny amin’ny « Pont Mainty » tamin’ny lalam-pirenena fahefatra. Fiara tsy mataho-dalana iray no tra-doza nifatratra tamin’ny trano satrana fivarotana saribao, soa ihany fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy tamin’ity lozam-piarakodia ity, fa ilay « fiara 4×4 » avy any avaratra no potika.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici