- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Mpandeha taxi-brousse 12 naratra

RN4 : Mpandeha taxi-brousse 12 naratra

Nanao sesilany indray ny lozam-pifamoivoizana niseho taty amin’ny lalam-pirenena fahefatra tao ho ao izay. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa nisehoana lozam-pifamoivoizana ny teny lalam-pirenena fahefatra PK 330+500, izany hoe tany amin’ny tanànan’i Tsarakafe, fokontan’Andramy, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa ny Atalata faha 13 May taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny 10 ora maraina tany ho any. Tra-doza teny amin’ny tanàna voalaza etsy aloha ny fiara taksiborosy rezionaly manao zotra Maevatanàna sy Ambondromamy. Vokatry ny fahavakisan’ny kodiarana iray teny am-pandehanana no antony nampivadika an’ilay fiara Mercedes. Vokany: Mpandeha 12 tao anatin’io fiara taksiborosy io naratra, raha ny iray tamin’ireo no tena voamafy, saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Taorian’ny fizahana nataon’ny Zandary misahana ny fifamoivoizana avy ao amin’ny  » BPR Maevatanàna, » dia noentina teny amin’ny hopitalibe Morafenokely eto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka ireo naratra mba hanaraka fitsaboana sahaza. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa fiara taksiborosy niainga avy any Ambodimanga/Betsiboka hihazo eto Maevatanàna an-tampon-tanàna izy io.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici