- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Mpiasan’ny BNGRC tsy hita, nisy naka an-keriny

RN4 : Mpiasan’ny BNGRC tsy hita, nisy naka an-keriny

Omaly maraina izy no nisy nahita ary efa tena reraka tanteraka. Tsy iza izany fa  Razafiharimanana Jeremia izay tsy hita efa ho 15 andro lasa izay. Nisy nahita izy ary naterin’ny olona teny amin’ny fokontany tao Antsiafabositra. Ny tompon’andraikitra tao indray no nanolotra azy tamin’ny zandarimaria tao an-toerana ihany. Raha araka ny fanazavana hatreto dia nisy naka an-keriny izy. Ny toerana maro nitondràna azy kosa dia tsy nisy tadidiny satria mifindrafindra hatrany. Tao anatin’ny fotoana fohy izay tsy naha-teo ny jiolahy no nahitàny vaky tavoahangy. Noratrainy tamin’io ny tanany ary nanomboka teo dia tsy nisy nilain’ireo jiolahy azy intsony. Narian’ireo tany an-kodahoda. Nandeha an-tongotra tany amin’ny tany tsy fantatra izy ary omaly dia nifanena tamin’ny olona izay nanampy azy sy nanatitra azy teny amin’ny manam-pahefana. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary rehetra izay miandraikitra iny faritra iny. Isan’ny fepetra noraisina avy hatrany ny fanakanana sy fisavàna ny fiara izay mitovitovy amin’ilay nakàna an-keriny. Inona ny tena zava-nitranga? Tsy nisy antso mantsy na koa sandam-bola ho takalon’aina izay notakian’ireo mpaka an-keriny tao anatin’ity raharaha ity. Eny fa na dia efa ho tapa-bolana aza ny nitazoman’izy ireo ny olona. Manarak’izany, rehefa naratra ilay olona dia navotsotra. Midika ve izany fa mety ho ny vatan’ilay olona izany no tena ilain’ireo olon-dratsy? Sanatria an’izany halatra taova? Farany, inona no antony nitazomana ela ireo olona? Marobe ny fanontaniana izay manintona ny saina amin’ity raharaha ity ary mety hovalian’ny fanadihadiana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici