Mampanahy ny besinimaro ny fisian’ny fanafihana nisesisesy izay manamorona ny lalam-pirenena fahefatra. Hatramin’ny fikambanana iraisam-pirenena izay manana ny masoivohony eto amintsika aza dia nandefa hafatra ho an’ireo olona izay miasa eo anivony. Fampitandremana izany mahakasika ireo izay handeha hamita iraka any amin’ny faritra ka hizotra amin’ny RN4. « Hajanona raha tsy manan-danja loatra » raha araka ny soso-kevitra. Eo koa ho an’ireo izay mipetraka amin’iny toerana iny mba hanamafy ny hidin-trano ary manidy tsara ny varavaran-kely sy ny varavarana. Indrindra manoloana ny fidinana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana izay mety hiteraka tifitiditra mandritry ny fanenjehana ireo jiolahy. Ny fanentanana farany ao anatin’ilay hafatra ho an’ny mpiasa dia ny fampandrenesana haingana ny sampana miadidy ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena eto amintsika raha toa ka mahatsikaritra zava-miseho. Endrika iray izany fa manara-maso akaiky ny fivoaran’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ireo fikambanana iraisam-pirenena maro.
D.R