- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Namono olona indray ny taxi-brousse

RN4 : Namono olona indray ny taxi-brousse

Fiara niala teto an-drenivohitra ary hihazo an’i Mahajanga no niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Taxi-brousse mitondra ny marika Mercedes Sprinter izy io, raha araka ny fanampim-panazavana azo. Nandeha mafy ary tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara rehefa tao anaty fiolànana, raha araka ny filazan’ny zandary. Izay no nitarika azy ho niala ny làlana ary niafara tany an-kady. Tokony ho tamin’ny enina ora, ny alakamisy teo, no niseho ny loza. Vehivavy iray mpandeha tao anatiny no tafavoaka tao anatin’ny fiara noho ny hamafisan’ny fivadihana. Tsy vitan’izay nipitika izy fa mbola nidaboka tao aminy ihany koa ilay taxi-brousse taorian’izay. Maty tsy tsa-drano ary potika hatramin’ny lohan’ilay vehivavy. Ankoatra izay dia mbola nisy olona efatra naratra mafy tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana. Isan’izany ny mpamily ary samy notaterina tany amin’ny hopitalin’i Bejofo Mahitsy avokoa izy ireo. Etsy andanin’izany, omaly koa dia mbola namono olona hatrany ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny lalam-pirenena. Tamin’ny RN7 mifanandrify an’Ambohimandroso, tao anatin’ny herika matevina izay niteraka halaman’ny làlana no nidona tamin’ny fiara fitaterana iray ny moto. Maty tsy tsa-drano koa ny lehilahy nitaingina io moto io ary feno rà teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Raha ny filazan’ny olona dia saika hisongona ny fiara lehibe teo alohany izy no nisy fijanonana tampoka ary niteraka ny loza.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici