- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Nohamafisina ny fitandromana ny filaminana ataon'ny zandary

RN4 : Nohamafisina ny fitandromana ny filaminana ataon’ny zandary

Taorian’ny fanararaotana ny trangana lozam-pifamoivoizana ka nangalarana ny entan’ireo mpandeha tra-doza sy nahavoasambotra ireo jiolahy efa-dahy nanao izany dia niroso tamin’ny fametrahana vahaolana maharitra ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary Betsiboka. Izany dia mba hisorohana ny fanafihana amin’ny RN4 dia nisy ny fanaparitahana mpitandro ny filaminana manao fisafoana. Niezaka nanome baiko sy tadin-dokanga, eo amin’ireo Zandary ambany fifehezany ny kaomandy mba hatrarana ny vinan’ny minisitr’izy ireo. Hasiana  » patrouille » eny amin’ny faritra mena ary hisy ny fivezivezena ny Zandary amin’ny toeran-kafa no haverina hatrany ny lamina amin’ny fanaovana  » Caravane ». Homena ny mpamily hatrany ny laharan’ny Zandary miasa manao izany. Manentana ny fahendren’ny mpamily mba hanaja ny lalàna mifehy ny hafainganam-mpandeha mba hitandromana ny ain’ireo mpandeha, hoy hatrany ny Lieutenant Colonel Dinah dit Triplette. Ny hetsika dia hataon’ny Zandary, mandritra ny antoandro sy alina, mba hisoroana ny loza mety hiatra amin’ireo olona mivezivezy mampiasa ny lalam-pirenena fahefatra, indrindra izao akaiky fialan-tsasatra izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici