Izay no nitarika ny lozam-pifomoivoizana izay nitranga teny amin’ny RN4, teo ambonin’ny tetezan’i Manokomita. Fiara izay nitatitra pasitera sy mpino maromaro izay hamonjy zaikaben’ny Fjkm ao Mahajanga ilay nisy olona ara-teknika. Voatery nifatratra tany amin’ireo omby ilay fiara vao tafajanona. Maty avy hatrany ireo biby fiompy miisa dimy. Mazava hoazy fa tezitra ny tompon’ireo biby nanoloana ny zava-nitranga. Nandefasana zandary haingana mba hiaro ny ain’olona sy ny fananany, teo amin’ilay toerana. Nosokafana koa ny fanadihadiana izay nontontosaina tao amin’ny biraon’ny zandary tao Maevatanàna. Vetivety dia nilamina anefa ny raharaha rehefa nisy fifandaminana teo amin’ny roa tonta dia ny tompon’ny fiara sy ny tompon’ny biby izany. Nisy ny vola izay nomena ary mbola hampiana izany afaka andro vitsy araka ny fifanarahana. Taorian’izay dia afaka nanohy ny diany ireo mpamonjy zaikabe rehefa avy namboarina tsara ny fiara.
D.R