Na dia eo tokoa aza ny fandrarana ny tsy fahazoana mivezivezy sy mivoaka ny faritra voatokana amin’izany, noho ny fiparitahan’ity valanaretina covid-19 ity, dia hita sy tsapa tato ho ato fa maro ireo minia mandika lalàna.
Tamin’iny làlam-pirenana fahefatra iny, dia « sprinter » roa indray no tra-tehaky ny zandary avy ao Antsakoamamy, nitondra mpandeha an-tsokosoko, omaly vao maraina. Araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandarimariam-pirenena dia voalaza fa « niainga taty Mahitsy – Mahatsinjo Antananarivo ho any Ambondromamy, no sarona teo amin’ny sakana nataon’ny BPR Zandarimaria tao Antsakoamamy RN4, tamin’ny 03 ora marainan’ny 28 mey 2020 » ireto fiara ireto. « Araka ny famotorana savaranonando natao tamin’ireo mpandeha an-tsokosoko, dia nandray fiara teo Mahitsy tamin’ny alina izy ireo ka haterina alohan’ny hiditra ny faritra Maevatanana ary misy fiara hafa indray handray eo Mahatsinjo. Nandeha tongotra sy nihazo niafina anaty kirihitra isaky ny toerana misy ny sakana ataon’ny zandary ireo mpandeha, fa ireo fiara kosa dia mody mizotra tsy misy mpandeha » hoy hatrany ny tatitra. Nandraisana fepetra avokoa moa na ireo mpandeha 17 hita tao anatiny, izay samy naverina avokoa na ireo fiara roa, izay nampidirina « fourrière » avy hatrany. Ireo mpamily sy ny mpanampy azy kosa dia natolotra ny fitsarana, raha ny vaovao hatrany.
Fa ankoatr’izay, dia tamin’iny làlam-pirenena fahadimy ihany koa dia fiara « taxi-brousse » iray sy tuc-tuc iray no tra-tehaka nitondra olona an-tsokosoko ihany koa, ho any Vavatenina. Araka ny fantatra, dia « tsy misy mpandeha fa fiara feno entana no mandalo eo amin’ny « barrière sanitaire », trà-tehaka feno olona anefa rehefa tratra tany alohaloha tany ». Voalaza moa fa hoe ny sasany amin’ireo olona nentina ireo dia « handeha tongotra hamakivaky ho any Ambatondrazaka ». Nogiazana avy hatrany ireo fiara ireo, ary nanaovana fanadihadiana ireo mpitondra ny fiara. Nasaina niverina kosa ireo mpandeha tratra tao anatiny. « Ny zandarimaria dia anisan’ireo vondron-kery mandray anjara mivantana sy akaiky indrindra amin’ny ady atrehina ankehitriny, koa tsy maintsy hentitra hatrany amin’ny fanatanterahana ny baiko omen’ny fitondram-panjakana ho fiarovana antsika »
m.L