- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 - RN6 : Tapaka tsy azo ifamoivoizana noho ny fiakaran’ny rano

RN4 – RN6 : Tapaka tsy azo ifamoivoizana noho ny fiakaran’ny rano

Vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny ora-mikija telo andro nisesy, dia tapaka nanomboka omaly maraina ny lalam-pirenena fahefatra eo anelanelan’ Andranomamy sy Tsaratanàna amin’ny tetezan’ Ambalavondro. Raha ny vaovao voaray , dia tapaka ihany koa ny tetezan’i Kamory. Voatery mandoa vola arivo ariary ny mpandeha vao afaka miampita lakana. Fa « radiers » efatra ao amin’ny distrikan’i Mampikony amin’ny lalam-pirenena fahenina iny no difotry ny rano tanteraka tsy azo aleha, ka anisan’izany ny ao Tanetilava sy Antsangambato. Na ny « transbordement » amin’ny lakana aza mananosarotra, noho ny faherivaikan’ny rano, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici