- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4, RN7 : Kamiao nitsivalana nanapa-dàlana

RN4, RN7 : Kamiao nitsivalana nanapa-dàlana

Saika nitovy avokoa ny fisehony. Teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra mifanandrify amin’Anosiala dia simba teo am-povoan-dàlana ny kamiao iray mpitatitra etona. Tsy nisy azo natao satria iaraha-mahalala ny vesatr’izany, tsy zaka atosika. Tapaka tanteraka ny lalam-pirenena omaly vokatr’izany mandra-pahatongan’ny fiarabe afaka nanisaka ilay kamiao. Sady tsy afaka nandroso na ny hiakatra an-drenivohitra na ny hizotra ho any Mahajanga noho ny zava-misy. Ny faharoa indray dia teo amin’ny lalam-pirenena fahafito mifanandrify amin’Antsahalava. Io indray dia lozam-pifamoivoizana no niteraka ilay kamiao ho tsy afa-niala teo am-povoan’ny arabe. Nifandona tamin’ny fiara iray marika Sprinter, ary samy tavela teo ny roa tonta. Tapaka indray koa ny lalam-pirenena vokatr’izany ary vetivety dia amin’ny kilaometatra ny halavan’ny fitohanana. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy fa ny fiara no simba. Tsy nisy nanisaka ny azy ny roa tonta fa niandry ny mpitandro ny filaminana hanao « constat ». Dia voatery niaritra izany avokoa ny fiara marobe sy ny olona nentiny. Tsiahivina fa vao roa andro lasa koa izay no tapaka nandritra ny tapak’andro ny làlana tetsy Anosizato rehefa nisy kamiao simba teo ambony tetezana. Sahirana ny lalam-pirenena ankehitriny noho ny fahasimbana etsy sy eroa. Eo ihany ny tsy fitandreman’ny mpamily sasany, fa ny fahapotehan’ny làlana koa no tena mitarika lozam-pifamoivoizana sy fahasimban’ny fiara matetika.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici