- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Rongony 150 kilao sarona tao anaty taxi-brousse

RN4 : Rongony 150 kilao sarona tao anaty taxi-brousse

Avy any Ambanja ary nikasa ny ho any Mahajanga ity taxi-brousse iray ity no voasavan’ny zandary teo amin’ny Belobaka, distrika Mahajanga II, faran’ny herinandro teo. Rehefa nampidinina ireo entana nampiahiahy dia nahitàna ireto rongony maina aman-jatony kilao ireto, nokasaina halefa ao an-drenivohitr’i Boina.

Miasa andro aman’alina ireo zandary, ao anatin’ny Vondron-tobim-pileovana, manao ny fisavàna eny amin’ireo lalam-pirenena miditra ao an-tampon-tanana, indrindra fa amin’izao hetsika entina hiadiana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izao. Tamin’ireny fisavàna, izay notanterahan’ny zandary misahana ny fifamoivoizana ireny indrindra no nahasakànana fiara fitateram-bahoaka iray avy any Ambanja, teo amin’ny PK 555+300.  Tra-tehaka teo araka izany ny rongony maina, efa vonon-kamidy. Natao tao anaty gony miisa dimy feno hatrany an-tendan-keliny izany, hoy ny vaovao, ary nilanja teo amin’ny 150 kilao teo ho eo. Olona roa no nosamborina teo noho eo ary notanana natao famotorana noho izany. Nogiazana kosa ny « entana » ary natao ambalam-pamonjana ilay fiara fitaterana nitondra azy. Mbola mandeha ny fikaroham-baovao sy ny fanadihadiana mahakasika ny fiavian’ireto rongony ireto, hoy hatrany ny vaovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici