- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 sy RN7 : Hasiana zandary manaraka ny taxi-brousse

RN4 sy RN7 : Hasiana zandary manaraka ny taxi-brousse

Izay fiara fitateram-bahoaka rehetra, ny taxi-brousse izany, mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito sy fahefatra dia nasiana zandary avokoa. Nanomboka omaly izany fepetra izany no noraisina raha araka ny nambaran’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena. Mbola izy ihany koa no nanazava fa tsy maintsy miara-mivondrona ireo taxi-brousse rehetra eny am-pandehanana mba hanamorana ny fanarahan’ny zandary azy ireo. Etsy andanin’izany dia nosokafana omaly ny fanadihadiana izay ataon’ny Emmo-Nat (vondrona ikambanan’ny mpitandro ny filaminana) momba ireo fanafihana izay nisesisesy teny amin’ny lalam-pirenena tamin’ny herinandro lasa teo. Nampanantena ny lehiben’ny zandary fa tsy maintsy ho voasambotra ny tompon’antoka amin’ireo fandrobàna. Mahakasika ny fepetra izay noraisina indray dia fanohizana ny efa nisy teo aloha ihany izany saingy nohamafisina rehefa niverimberina ny fanakanan-dàlana eny amin’ny lalam-pirenena. Mila fampandrian-tany maika, indrindra amin’izao vanim-potoana izay hisokafan’ny sisin-tany atsy ho atsy izao ka hiavian’ny mpizaha tany. Betsaka ny malagasy mivelona amin’io sehatra io no mba efa miandrandra fa hiverina tsikelikely ny fivelomana. Raha sendra hosembanin’ny jiolahy indray anefa dia vao mainka hilentika izany. Mila karohina hatrany anaty ala rehetra any ireo mpanakan-dàlana satria sady mampijaly ny mpampiasa làlana no hanimba lazan’ny firenena raha tsy voafehy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici