- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Taxi-brousse latsaka tany ambany tetezana, olona roa maty, 18 naratra

RN4 : Taxi-brousse latsaka tany ambany tetezana, olona roa maty, 18 naratra

Vao ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’ilay lozam-pifamoivoizana nahafaty olona efatra, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, dia fantatra fa nitrangana toa izany ihany koa tany amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Olona roa indray no maty tsy tra-drano, vokatry ny fivadihan’ny « taxi-brousse » iray teny Andriba.

Tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka fahefany, omaly hariva no nitrangan’ity loza ity, teo amin’ny PK 210+800, tao amin’ny fokontany Maroharona, ao amin’ny kaominina Andriba, distrika Maevatanana. « Samy tafiditra teo amin’ireo tetezana lalan-tokana io na ilay fiara tsy mataho-dalana, marika « Toyota Fortuner », izay ho any Mahajanga na ilay taxi-brousse manao zotra rezionaly » hoy ny fanazavàna azo. Nandeha mafy anefa ity fiara 4×4 ka fahazarana fotsiny sisa ny an’ny mpamilin’ilay taxi-brousse ny haka sisiny. Kanjo hantsana mirefy eo amin’ny enina metatra teo no niandry azy sy ireo mpandeha tao anatiny. Tsy tana, fa dia nianjera sy nivadibadika tany ambany tany ilay fiara. Araka ny fampitam-baovao hatrany, dia maty teo no ho eo ny mpamilin’ity minibus ity, niaraka tamin’ny zazakely vao roa taona monja. Mpitondra fivavahana iray sendra nandalo sy nahita ny loza no nampandre haingana ireo zandary ao Andriba. Tonga aloha teny an-toerana ihany koa ireo zandary misahana ny fifamoivoizana na bemôtô, niezaka nisokitra sy nanavotra ireo mpandeha. Nentina avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana tao Andriba kosa ireo naratra vokatr’ity loza ity. Nisy kosa ireo voatery nakarina taty Andrenivohitra sy nalefa tany Maevatanana.

Efa iaraha-mahalala fa saika lalan-tokana tsy azo ifanena avokoa ny ankabeazan’ireo tetezana amin’ireo lalam-pirenena eto amintsika. Tsy nahasakana ity fiara tsy mataho-dalana iray, izay nirimorimo fatratra tsy hiditra amin’ity tetezana iray teo Antetezankazo, Andriba anefa izany, eny fa na dia  hitany aza, fa efa nisy taxi-brousse « Mazda » tafiditra teo amin’ilay tetezana. Ary tsy vitan’izay fa tsy nijanona akory teo anatrehan’ny loza mahatsiravina izay niseho na nampandre ny mpitandro filaminana ity fiara ity, fa mbola nanohy ny diany, toa vao mainka aza nitsoaka nandositra. Tany Tsiafabositra vao voasakana ilay 4X4, antsasak’adiny mahery taorian’ny nisehoan’ny loza, rehefa nampandrenesina avokoa ireo zandary teny amin’ny làlam-pirenena mba hampijanona izany fiara nahavanon-doza izany. Avy hatrany dia nogiazana ny fiara ary natao andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary ao Tsiafabositra ary hanaovana famotorana ity mpamily tsy valahara ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici