Iray no namoy ny ainy, ny iray amin’ireo olona 12 naratra tapa-tongotra ! Hataraina ny an’ireo mponina teny amin’ny manodidina ny tanàna atao hoe Mahatsinjo ambany, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra Pk 321+150, rehefa nahita ny fifandonan’ireo fiara taksiborosy rezionaly roa ny marainan’ny alatsinainy faha-16 septambra taona 2024 lasa teo iny. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa fiara Sprinter miloko manga avy eto Maevatanàna an-tampon-tanàna hihazo any Ambalajanakomby no nifanehatra tampoka tamin’ny fiara Sprinter miloko mena tsy nisy mpandeha avy ao Andramy. Vokany: maty tsy tra-drano ny iray tao anatin’ilay fiara avy any atsimo hihazo any Ambalajanakomby, tapa-tongotra kosa ny iray amin’ireo olona 12 naratra. Noezahin’ny fokonolona nentina sy nosakanana fiara hamonjy eny amin’ny hopitalibe Morafenokely/Maevatanàna ireo olona 12 naratra. Nitsoaka nandositra kosa ny mpamilin’ilay fiara avy any avaratra, ao Andramy. Efa nahazo fitsaboana moa ireo olona folo, fa tsy maintsy nentina any Mahajanga kosa ny roa amin’ireo naratra, noho ny ratra mafy nahazo azy ireo. Efa nanao fitsirihana teny amin’ny nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana moa ny zandary avy ao amin’ny » BPR, na Police de la Route Maevatanàna, saingy nomena ny havany any Anosimiditra, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalajia, ny vata-magatsiakan’ilay maty. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa ny fiara avy any avaratra no tompon’ny hadisoana. Ny roa tamin’ireo olona 12 naratra moa dia zazakely, hoy ny fanampim-baoavao voaray.
Ratantely