- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Taxi-brousse nivadika, am-polony ireo mpandeha naratra

RN4 : Taxi-brousse nivadika, am-polony ireo mpandeha naratra

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena faha-efatra mianavaratra iny, ny alahady maraina lasa teo. Taxi-brousse handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra avy any Mahajanga no nivadika ambony ambony teo Ampasipotsy, Ambohitromby. Vokany : am-polony teo ho eo ireo mpandeha naratra vokatr’izay. Araka ny fampitam-baovao azo dia vokatry ny fahavakisana kodiarana iray teo aloha no nahatonga ny loza. Toa ny fanaon’ireo taxi-brousse mivoaka lalam-pirenena moa, indrindra fa ireo « sprinter » dia nandeha mafy tokoa ity fiara ity. Teo am-pidirana fiolanana mihitsy anefa no nitranga ilay olana ara-teknika. Tsy tana noho izany intsony ny familiana ka izao nivadika ambony ambany izao ilay fiara. Nisy tamin’ireo mpandeha voa mafy no voatery nampiakarina aty an-drenivohitra, ny hafa kosa nomena fitsaboana tany an-toerana ihany. Efa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity loza nitranga ity moa ny mpitandro filaminana, ary fantatra fa efa notanana ny mpamilin’izany fiara taxi-brousse izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici