Zandary iray indray no lavo teo am-pamitàna ny asany tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo ny fiara narahany sy nambenany omaly vao maraim-be. Teo amin’ny PK276+500, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antanimbary, distrikan’i Maevatanana no nitranga ny loza. Taxi-brousse mampitohy an’Antananarivo sy ny renivohitr’i Boina no nivadibadika ambony ambany, raha an-dalana hitodi-doha aty an-drenivohitra. Vokany, potika tanteraka tsy nisy noraisina ilay fiara mpitatitra. Nahatratra 13 kosa ireo mpandeha naratra mafy tamin’ity fahavoazana ity, ary olona iray namoy ny. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia vokatry ny fandehanana mafy loatra no nahatonga ny loza. Satria raha teo am-pisedrana fiolanana ity fiara avy ao amin’ny kaoperativa Komafivo ity, no very tampoka ny familiana. Tsy voatana intsony araka izany ny fiara, nivoaka ny lalana ary niafara tamin’io fivadibadihana nahafatesana olona io. Rehefa nisy nampandre mahakasika ny fisian’ny loza moa ireo zandary avy ao amin’ny toby ao Antanimbary dia nandeha malaky teny an-toerana. Nijery ifotony ny zava-nisy, nanantanteraka fanadihadiana ary niroso tamin’ny famonjena ireo niharam-boina rehetra tao anaty fiara. Ilay naman’izy ireo moa no indrisy fa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Ireo naratra kosa dia efa nentina notsaboina haingana tao amin’ny hôpitaly ao Maevatanana. Marihana fa miasa eny amin’ny tobin’ny zandary EB2 eny Arivonimamo ity mpitandro filaminana namoy ny ainy ity, mitondra ny galonana zandary kilasy faharoa ary nirahina hanao « escorte » ireo fiara taxi-brousse mihazo iny lalam-pirenena fahefatra iny, izay malaza amin’ny resaka fanakanan-dalana ataon’ireo olon-dratsy, kanjo dia izao tra-doza izao.
m.L



