- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Taxi-brousse nosakanan’ andian-jiolahy mitam-basy 

RN4 : Taxi-brousse nosakanan’ andian-jiolahy mitam-basy 

Nitatatata indray ny feom-basy teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny fokontany Manjakavaradrano, any amin’ny kaominina Mahatsinjo ambony, disitrikan’i Maevatanàna, ny marainan’ny Alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny iray ora. Araka ny loharanom-baovao azonay, dia fiara taksiborosy avy any Mahajanga hihazo an’ Antananarivo no nanaovan’ireo olon-dratsy sakana tamin’ny vatobe. Mety efa fantatr’ireto malaso mihitsy ny ora fidiran’ity fiara ity teny an-toerana.Raha iny vao niala kely teo amin’ilay tetezana iny mantsy no nobahanan’izy ireo tamin’ny vato ny làlana. Raha ny angom-baova azo, dia tsy nihevitra ny  fisian’ny sakana sy ireo olon-dratsy ny mpamily fa namantana sy niala an’ilay vatobe tamin’izay fotoana izay. Teo no nanapoaka basy sy nitifitra ireto jiolahy ireto, soa ihany fa tafita tamin’ny làlana ny fiara, ary rehefa tonga tao Mahatsinjo ambony vao sahy nijanona  ka nampandre ny mpitandro ny filaminana. Marihina, fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy nandritra ny sakana nataon’ireo jiolahy, fa ny fitaratra aty aorian’ny fiara ihany no voan’ny bala. Taorian’io, dia efa nisy fepetra noraisin’ny Zandary izay nampandrenesana ny fanakanana ireo làlana mety ho nandalovan’ireo olon-dratsy, saingy mbola tsy nahitam-bokany aloha izany hatreto. Efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana sy fikarohana ireo malaso, ataon’ny Zandary ao Andriba sy Mahatsinjo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici