Taxi-brousse telo be izay no indray niharan’ny fanafihan-jiolahy, raha iny handeha hivoaka hihazo ny làlam-pirenana faha-efatra iny izy ireo, ny alakamisy lasa teo. Teo amin’ny faritra antsoina hoe Berehareha, ao Tsaratanana no nitrangan’izany fanafihana izany. Vokatr’izay, mpamily iray no lavo, voan’ny balan’ireo mpanafika. Tsy nisy kosa ny entana lasan’ireo olon-dratsy. Amin’ny toe-javatra toy itony moa dia saika mitovy avokoa ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy : na vato mitandahatra eo amin’ny arabe, na vata-kazo lehibe hatsivalana eo amin’ny lalàna. Ireo mpanafika kosa amin’io, efa mitapify any anaty bozaka any, miandry fotsiny izay hijanonan’izay fiara voasakana. Mazàna dia izay fiara mandeha irery no tena lasibatra. Kanefa tamin’ity indray mitoraka ity dia telo be izao no indray tratra. Eny fa na dia efa nanao lahara-manjohy aza ireto taxi-brousse, saika hitodi-doha aty an-drenivohitra ireto. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe, diso tetika ve ireo olon-dratsy, nanantena fa fiara iray no tafaroboka tao anatin’ny haraton’izy ireo ? Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia nirifatra nitsoaka ireo olon-dratsy, rehefa nahatifitra ilay mpamily. Nony tazan’izy ireo mantsy fa fiara telo no indray nifanaraka ary tafajanona teo amin’ny sakana nataon’izy ireo, avy hatrany dia nampiresahany ny basy teny an-tanan’izy rehetra. Tamin’izany no nahavoa ilay mpamilin’ilay fiara voalohany. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ity lehilahy ity, kanefa noho ny habetsaky ny rà very sy ny halalin’ny ratra dia tsy tana intsony ny ainy. Nanao savahao ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana rehefa avy nampandrenesina saingy tsy nahitana na inona na inona, ankoatry ny taim-balan’ireo mpanafika. Na izany aza anefa, dia efa manokatra ny famotorana sy fanadihadiana izy ireo.
m.L