- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Taxi-brousse voatafika sy voatora-bato

RN4 : Taxi-brousse voatafika sy voatora-bato

Voasambotr’ireo Zandary. Ny alin’ny faha 11 Desambra taona 2024 teo iny, tokony tamin’ny folo ora teo ho eo, dia mpamily fiara taksiborosy miisa efatra, avy any Antananarivo mianavatra no tonga nitaraina tamin’ireo Zandary nanao ny fiambenana ny lalam-pirenena fahefatra, fa niharan’ny tora-bato, teny amin’ny sampanan-dalana Ambavadihiala, eo anelanelan’ny fokontan’Antsapanana, kaominina ambanivohitra Tsararano sy fokontan’Ambodimanga/Betsiboka, any amin’ny Maevatanàna faharoa, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tsy niandry ela ny Zandary roalahy avy ao amin’ny  » Poste fixe Antsapanana, » izay notarihin’ny lehiben’ny borogady eto Maevatanàna. Nohon’ny fiaraha-mientana sy hafainganan’ny fandraisana andraikitra nataon’ny fokon’olona, ao amin’ny fokontany Tsarahonenana, tamin’ny mpitandro ny filaminana dia voasambotra, izy efa-dahy, taorian’ny fihodidinan’ireo mpanenjika. Rehefa natao ny famotorana azy ireo, dia voamarina fa mipetraka ao amin’ny fokontan’Ambodimanga/Betsiboka ireto farany. Tsara hatrany ny mampahafantatra fa 13 taona sy 25 taona ny zandriny sy zokiny tamin’izy efa-dahy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici