- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Taxi-brousse voatafika, voakapa antsy ny mpamily, lasa ny vola sy...

RN4 : Taxi-brousse voatafika, voakapa antsy ny mpamily, lasa ny vola sy ny entana

Taxi-brousse roa avy aty an-drenivohitra, handeha ho any amin’iny faritra Sava iny no notafihana andian-jiolahy, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, teo anelanelan’i Beanana sy Ambodimanga, samy ao anatin’ny distrika Maevatanana avokoa. Vokany, maromaro ireo mpandeha no naratra vokatry ny vono nataon’ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany kosa ny vola sy ny entana nentin’ireto mpandeha ireto.

Nisesisesy indray tato ho ato ity resaka fanakanan-dalana amin’ny lalam-pirenena ity. Vao haingana tokoa mantsy no nisehoan’izany tany amin’iny lalan’i Morondava iny ka nampitondra takaitra ireo mpamily mpizaha-tany dia vao ny alin’ny talata lasa teo ihany koa, taxi-brousse mitandahatra ho any Sambava no lasibatry ny asan-jiolahy. Maromaro ireo olon-dratsy, raha ny fampitam-baovao azo, izay nametraka hazo nitsivalana tao anaty lalana. Voatery nijanona araka izany ireo fiara ary nihevitra ny handeha hiverina, kanjo nisy nikapa antsy avy hatrany ny tanan’ny iray tamin’ireo mpamily  ka tsy afa-nankaiza intsony izy ireo. Nisy tamin’ireo mpandeha ihany koa no naratra niharan’ny darok’ireto mpanafika ireto. Tombanana ho an-tapitrisany maro ihany ny teti-bidin’ireo zavatra lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, ary nitsoaka ireo tsy valahara rehefa vita ny asa ratsiny. Nampandrenesina haingana teo ny zandary ary tonga teny amin’ny toerana nisian’ny fanafihana : nanala ilay sakana sy niezaka nikaroka ireo olon-dratsy. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany dia tsy niandry ela fa omaly ihany dia fantampantatra ireo olon-dratsy nanafika, izay mponina amina tanana kely iray tsy lavitra teo, nahitana ny sasantsany tamin’ireo entana voaroba. Raha ny re aza dia efa nisy olona noahiahiana ary nentina natao famotorana sahady tany an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici