- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Telopolo lahy nanafika taxi-brousse

RN4 : Telopolo lahy nanafika taxi-brousse

Lasa ny vola izay saika hividianana entana aty an-drenivohitra ho an’ny sasantsasany. Tsy namelan’ireo jiolahy koa ny kojakoja mora nalaina, toa ny finday. Ny firavaka volamena, mazava ho azy, dia lasa koa. Izany no niainan’ny olona niara-nandeha taxi-brousse iray izay voasakana teo amin’ny tetezan’i Kamolandy ny alin’ny alakamisy teo. Hizotra ho aty an-drenivohitra io fiara fitaterana io ary nihazo ny lalam-pirenena fahefatra no nosakanan’ny telopolo lahy. Norahonana tamin’ny zava-maranitra ny mpandeha rehetra ary nasaina nanaraka ny baikon’ireo olon-dratsy. Nanam-potoana naka izay tiany izy ireo satria tao anatin’ny haizina ary toa nokajiany mihitsy angamba ny fotoana tsy maha-betsaka fiara mandalo eo amin’ilay toerana. Horohoro sy adin-tsaina hatrany no mahazo ny mpandeha fiara fitaterana rehefa mivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena. Ankoatra ny fanafihana izay mety hahazo mantsy dia mbola atahorana koa ny lozam-pifamoivoizana, saingy tsy afa-manoatra satria tsy misy afa-tsy ny fifamoivoizana an-tanety no misy eto amintsika. Toa ireny afa-doza ireny rehefa tonga soa aman-tsara any amin’ny fiantsonana indraindray. Raha misy araka izany ny sehatra mila hatsaraina dia ny tontolon’ny fifamoivoizana, satria sady zon’ny olona ny mivezivezy (anatin’ny zo fototra izany) no zon’ny olona ihany koa ny milamin-tsaina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici