Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny, afak’omaly alina. Tamin’ity indray mitoraka ity, tsy ireo taxi-brousse indray no niharan-doza fa ireo mpandamina fifamoivoizana. Araka ny fantatra mantsy dia zandary iray no namoy ny ainy, teny ambonin’ny môtô nentiny, rehefa avy nifandona tamin’ny sarety, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ankazomborona, ao amin’ny distrikan’i Marovoay. Raha ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana dia an-dalana avy namita iraka ka hamonjy ny toeram-piasany izy izao niharan-doza izao. Môtô no nentiny tamin’io fotoana io. Ny andro rahateo efa maizina tamin’io alakamisy io ka tsy nahita-mitsinjo ny lalana. Tsy nampoizin’ity mpitondra môtô mihitsy ny mety ho fisiana sarety, izay nizotra ihany tamin’ilay lalana tamin’io fotoana io. Tsy azo nihodiovirana araka izany ny loza. Mafy dia mafy ny fifandonana. Naratra ary voa mafy teo amin’ny lohany ity lehilahy ity, potika tanteraka kosa ilay môtô nentina. Nikoropaka avy hatrany ny mponina teo an-toerana nitondra ny naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana akaiky. Teny an-dalana anefa, raha ny loharanom-baovao azo hatrany, dia tsy tana intsony ny ain’ity mpitandro filaminana ity, noho ny habetsaky ny rà very.
Nisesisesy tokoa tato ho ato izay ny lozam-pifamoivoizana tamin’ireo lalam-pirenena be mpindrana amin’izao fotoam-piala-tsasatra izao. Tokony hahamailo tanteraka ny tsirairay izany, hitandrina, indrindra amin’ny fandehanana mafy.
Nangonin’i m.L