Nitrangana lozam-pifamoivoizana nifanesisesy indray tany amin’ireo làlam-pirenena eto amintsika, ny faran’ny herinandro teo. Ny zoma teo, dia ankizivavikely iray no namoy ny ainy rehefa nodomina fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, teo amin’ny PK 281+200, amin’ny kaominina Antanimbary. Araka ny fampitam-baovao azo, dia niampita tampoka ity ankizy ity kanefa nandalo nirimorimo avy any ny fiara 4X4, marika « Ford » nentina lehilahy 45 taona. Tsy hitan’ity mpamily ity akory ny fisian’io ankizy kely io niampita ary dia tsy tonga ny loza. Nipitika lavitra teo amin’ny toerana nisian’ny loza ilay ankizy ary maty tsy tra-drano. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana avy ao amin’ny borigadin’i Maevatanana, nijery ifotony ny zava-nisy. Nentina nohadihadiana kosa ilay mpamily nahavanon-doza, raha efa nomena ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ilay ankizy vavikely. Fa mbola teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny hatrany, omaly alahady dia fiara iray no nivadika ambony ambany teo Ankazobe. Lehilahy iray no naratra mafy ary voatery nosokirina tao ambanin’ilay fiara.
Fa ankoatr’izay, dia fiarabe telo no indray nifandona teny amin’ny lalam-pirenana faharoa, mbola ny zoma teo hatrany. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Raha ny angom-baovao azo, dia hoe nisy fiarabe saika hisongona fiarabe hafa teo alohany, saingy tsy afaka. Nisy kamiao hafa indray anefa nifanena tamin’ireto farany ary dia io namoa-doza io. Vokany naratra ireo olona tao anatin’ireo fiarabe ary nahitana fahapotehana ny fiara. Tapaka tanteraka ihany koa tetsy an-danin’izay ny RN2, ary niteraka fitohanana be tamin’ireo mpampiasa iny lalana iny izany.
m.L