- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Zazavavikely maty voahitsaka ny kamiao, nipotsaka ny atidohany

RN4 : Zazavavikely maty voahitsaka ny kamiao, nipotsaka ny atidohany

Namoy ny ainy ny zazavavikely iray. Namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ilay tanàna antsoina hoe Mahatsinjo ambany, ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina teo. Zazavavikely vao 12 taona monja no voahitsaka ny kamiao teo amin’ny arabe tamin’io fotoana io. Potika tsy nisy noraisina ny lohany, ary nandriaka eran’ny arabe ihany koa ny rà nandritra ny loza. Araka ny fanazavana, dia avy any Mahajanga any, ary hitodi-doha ho any Antananarivo ilay fiarabe tamin’io andro io. Nalalaka ny arabe, ka iny nizotra teny an-dàlana iny ilay fiara no voalaza fa nisy ankizy nanapa-dalana tampoka. Voadona no sady nandalovan’ny kodiarana ny lohan’ilay zazavavikely. Araka ny fanampim-panazavana dia nandeha mafy loatra ihany koa ilay kamiao tamin’io ora voalaza etsy ambony io. Taorian’izay, dia tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza nanao ny fitsirihana sy ny fizahana ifotony ny mpitandro ny filaminana. Nanomboka teo dia niraikitra be ny fitohanana. Efa natao andrimaso eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny mpamily nitondra kamiao hofotorana. Ny razana kosa dia nalain’ny havany ao Mahatsinjo.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici