Vehivavy iray no maty tsy tra-drano, lehilahy roa kosa no naratra mafy. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Befotsy, Moramanga, làlana mizotra mankany Ambatondrazaka iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fiarabe iray nitaona hazo no nandona azy telo ireto, izay nandeha bisikleta. Tsy mba nahalala nijanona akory anefa ity fiarabe ity, taorian’ny fahavoazana nataony fa vao mainka nandeha mafy sy niezaka nitsoaka. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha, fa raha iny an-dalam-pitsoahana iny ilay fiarabe no tsy voatanan’ny mpamily intsony ilay fiara, noho ny fandehanany mafy. Vokany nivadika ary nifatratra tany an-tanimbary ilay fiarabe. Tsy naninona ireo olona tao anatiny tamin’io fotoana io. Ary noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka hatrany, dia niezaka ny niala tao anaty fiara ilay mpamily nahavanon-doza sy ny mpanampy azy ary mbola nandositra ihany. Nampandrenesina avy hatrany moa teo ny zandary izay tonga tany an-toerana. Nisy ihany koa ny fikarohana ireto nahavanon-doza. Raha ny angom-baovao azo, dia tsy lasa lavitra izy ireo dia voasambotra. Nentina natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary any Moramanga.
m.L