Lehilahy iray no nentin’ny ranon-trambo namakivaky ny lalam-pirenena faha- 44 ny Zoma faha 10 febroary 2017 teo. Sambany no nirotsaka naharitra ny orana teto Ambatondrazaka ny harivan’ny zoma izay nisy ranon-trambo mahery vaika teo Ambalabako Manakambola izay 3 Km tsy hiditra an’ny tananan’Ambatondrazaka izay tokony tamin’ny 5ora sy sasany hariva tany ho any. Tsy nisy afaka nandeha avokoa ny fiara rehetra fa samy nijanona noho ity ranontrambo mahery namakivaky ny arabe ity ; ny olona sy ny moto ihany koa dia nifitsaka namonjy sisiny niandry izay fotoana nijanonany. Tovolahy iray izay hamonjy fodiana no variana nanamorona ny rano no nofaohiny avy hatrany ka nivadibadika nanaraka ilay ranon-trambo tany an-tanimbary. Raikitra ny antso vonjy ka vatan-dehilahy maromaro no nandeha nanenjika hamonjy ity lehilahy ity, ka voavonjy ihany . Efa tena reraka sy tsy nahatsiaro tena ity lehilahy ity ka, ny loholon’ny Madagasikara Atoa Rabenony izay sendra tavela teo ihany koa no nikarakara ity olona efa reraka ity ka nateriny teny amin’ny tobim-pahasalamana ary voavonjy soamantsara ihany. Anisan’ny atahorana mihintsy ity ranon-trambo eo Manakambola ity satria ny lalana fandehanan’ny fiarakodia mihintsy no vakivakian’ity ranon-trambo mahery ity. Efa nisy fiara 4X4 nofaohin’ny rano teo tamin’ny fahavaratra tamin’ny taona 2015. Tokony hojeren’ny mpitondra akaiky ity lalana fandalovan’ny ranon-trambo ity satria isan-taona dia ahitana loza hatrany.
Janus R.