Omaly vao maraina no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Tokony ho tamin’ny fito ora maraina no nivadika ny taxi-brousse izay hihazo an’Ambatondrazaka. Olona efatra tamin’ireo mpandeha miisa valo no naratra mafy ary nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny fitantaran’ny olona dia ny fahavakisan’ny kodiarana no nitarika ny loza. Na izany aza dia nisy ny fanadihadiana nosokafana amin’ny maha-lozam-pifamivoizana ny nitranga. Teo amin’ny lalana izay mihazo an’I Manakambahiny sy manodidina an’I Vohidiala no nitranga ny loza, izany hoe efa tsy tena mifanalavitra amin’Ambatondrazaka intsony. Nifanampy ny olona tamin’ny fitaterana ny naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana ary mba tsy nisy ny aina nafoy rehefa tonga ara-potoana. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra tanteraka ankehitriny ary mifamezivezy ny fiara vokatr’izany. Mihamafy koa ny fisavàna eny amin’ny lalam-pirenena, indrindra amin’ny taratasin’ny fiara. Matetika saingy vitsy ihany ny mitsongoloka amin’ny lafiny teknika ny mpisava satria izany dia noeritreretina ho efa vitan’ny tompon’andraikitra mifanandrify amin’izany.
D.R