Hatreto aloha dia dokam-barotra politika sy fampanantenana poak’aty ny filazana, fa hamboarina ny lalam-pirenena faha-05 Toamasina – Soanierana Ivongo. Samy nanome toky amin’ny fanamboarana azy avokoa ireo mpilatsaka hofidina rehetra teo, na filoham-pirenena izany, na ireo solombavambahoaka, saingy hatreto dia mbola faharatsiana goavana no iainan’ireo mpampiasa ny lalana sy ireo taksibrosy mpitatitra. Raha ny nambaran’ireo mpitatitra, dia efa tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panovana faran’ny teo, tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana ny ho fanamboarana ity lalam-pirenena faha-05 ity, saingy hatreto mbola tsy re tsaika ny ho fanamboarana azy na amin’ny ampahany aza, na ny fanamboarana vonjimaika azy ihany koa. Vokatr’izany mahita ny mpampiasa sy mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faha-05 fa kobaka am-bava no misy hatreto, dia mikasa ny hampiakatra ny saran-dalana Toamasina – Soanierana Ivongo ireo mpitatitra amin’ny taksibrosy. Raha ny vinavinan’izy ireo izao, mety hiakatra ny fiandohan’ny volana aogositra izao, dia ho lasa 20.000 ariary ny lalana Toamasina – Soanierana Ivongo; izay efa hitovy amin’ny saran-dalana Toamasina Antananarivo, raha 15.000 ariary teo aloha . Ho lasa 15.000 ariary kosa Toamasina – Fenerivo atsinanana raha 10.000 ariary amin’izao, izay efa mitovy amin’ny saran-dalana mihazo an’i Vatomandry avy eto Toamasina. Ireo saran-dalana mihazo an’i Vavatenina kosa dia anjaran’ny mpamily tsirairay no mahita ny tsy hahafatiantoka azy amin’izany. Nambaran’ireo mpitatitra kosa anefa, fa raha misy ny fanamboarana na fanampenana ireo lavaka be migodana amin’ny lalam-pirenena fotsiny mandeha, dia hiafian’izy ireo amin’ilay saran-dalana teo aloha ihany ny saran-dalana misy, ho fanampiana ny mpampiasa sy ny mpanjifa ho azy ireo.
Malala Didier